-
Zechariah 11
- 1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao
- 2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
- 3 Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
- 5 dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
- 6 Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.
- 7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
- 8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
- 9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.
- 10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.
- 11 Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany.
- 12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
- 13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah.
- 14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely.
- 15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ ny mpiandry ondry adala.
- 16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
- 17 Lozan’ ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.