-
Zechariah 9
- 1 Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ―
- 2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
- 3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
- 4 Indro, hofoanan’ ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ ny afo.
- 5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
- 6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ ny Filistina.
- 7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’ Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ ny firenen’ i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
- 8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ ny masoko.
- 9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
- 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina Ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
- 11 Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
- 12 Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
- 13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
- 14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo.
- 15 Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.
- 16 Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny.
- 17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.