-
Titus 3
- 1 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,
- 2 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.
- 3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
- 4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
- 5 dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,
- 6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
- 7 mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
- 8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
- 9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
- 10 Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
- 11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
- 12 Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
- 13 Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
- 14 Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
- 15 Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.