-
Song of Solomon 5
- 1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
- 2 Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
- 3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
- 4 Nampiditra ny tànany teo amin’ ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
- 5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ ny miora teo amin’ ny famohana ny hidin-trano.
- 6 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
- 7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
- 8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
- 9 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
- 10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ ny alinalina.
- 11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
- 12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ ny sakeli-drano, mandro amin’ ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
- 13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ ny miora.
- 14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
- 15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin’ ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an’ i Libanona, tsara toy ny sedera.
- 16 Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema!
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.