-
Song of Solomon 2
- 1 Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.
- 2 Toy ny lilia eo amin’ ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ ny zazavavy.
- 3 Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
- 4 Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
- 5 Hatanjaho amin’ ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ ny poma aho, fa mararim-pitia.
- 6 Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
- 7 Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
- 8 Injay, ny feon’ ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ ny havoana.
- 9 Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ ny makarakara.
- 10 Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
- 11 Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
- 12 Miposaka eo amin’ ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ ny tanintsika ny feon’ ny domohina.
- 13 Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
- 14 E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
- 15 Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
- 16 Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ ny lilia.
- 17 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.