-
Song of Solomon 4
- 1 Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ ny tendrombohitr’ i Gileada.
- 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
- 3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao,
- 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’ i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ ny lehilahy mahery.
- 5 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ ny lilia.
- 6 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.
- 7 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
- 8 Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’ i Amana, eny an-tampon’ i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
- 9 Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ ny masonao an-ila sy tamin’ ny rojo anankiray amin’ ny vozonao.
- 10 Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
- 11 Mitete tantely toy ny avy amin’ ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ ny lelanao, ary ny fofon’ ny fitafianao dia tahaka ny fofon’ i Libanona.
- 12 Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
- 13 Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
- 14 Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin’ ny zava-manitra tsara rehetra;
- 15 Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
- 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.