-
Deuteronomy 26
- 1 Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
- 2 dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
- 3 dia mankanesa amin’ ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razantsika homeny antsika.
- 4 Dia horaisin’ ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao.
- 5 Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
- 6 Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
- 7 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
- 8 ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
- 9 dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
- 10 Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
- 11 Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao.
- 12 Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ ny vokatrao amin’ ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
- 13 ary dia lazao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masìna tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
- 14 Tsy nisy nohaniko teo amin’ ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
- 15 Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
- 16 Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
- 17 Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
- 18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
- 19 sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.