-
Deuteronomy 6
- 1 Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
- 2 mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
- 3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.
- 4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
- 5 Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
- 6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
- 7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
- 8 ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao,
- 9 ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao.
- 10 Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
- 11 sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin’ ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
- 12 dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
- 13 Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
- 14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
- 15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao.
- 16 Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
- 17 Tandremo tsara ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
- 18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena azy,
- 19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’ i Jehovah.
- 20 Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika anareo?
- 21 Dia holazainao aminy hoe: Andevon’ i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
- 22 Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
- 23 Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin’ ny razantsika homena azy.
- 24 Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’ izao anio izao.
- 25 Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.