-
Colossians 4
- 1 Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
- 2 Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
- 3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
- 4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
- 5 Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
- 6 Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
- 7 Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
- 8 ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
- 9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
- 10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
- 11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
- 12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
- 13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
- 14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
- 15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
- 16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
- 17 Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
- 18 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.