-
Revelation of John 6
- 1 Ary nahita aho, rehefa novahan’ ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
- 2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
- 3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’ aina faharoa nanao hoe: Avia.
- 4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ ny tany mba hifamonoan’ ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
- 5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan’ aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany.
- 6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran’ ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao.
- 7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ ny zava-manan’ aina fahefatra nanao hoe: Avia.
- 8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’ izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.
- 9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
- 10 Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masìna sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’ izay monina eny ambonin’ ny tany?
- 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
- 12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’ osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
- 13 Ary ny kintana tamin’ ny lanitra dia niraraka tamin’ ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ ny rivotra mahery izy.
- 14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ ny fitoerany.
- 15 Ary ny mpanjakan’ ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ ny lavaka sy tao amin’ ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
- 16 ary hoy izy tamin’ ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry;
- 17 fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo, ka iza no mahajanona?
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.