-
Lamentations 4
- 1 Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
- 2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!
- 3 Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.
- 4 Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
- 5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ ny jaky dia mandamaka eny amin’ ny zezika.
- 6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
- 7 Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.
- 8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
- 9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ ny vokatry ny saha.
- 10 Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
- 11 Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
- 12 Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
- 13 Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao.
- 14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
- 15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
- 16 Ny fahatezeran’ i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.
- 17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
- 18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
- 19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
- 20 Ny fofonainay, ilay voahosotr’ i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ ny alokalony no hahavelona anay any amin’ ny firenena.
- 21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
- 22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.