-
Hebrews 5
- 1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ ny olona ka tendrena ho solon’ ny olona hanao ny raharahan’ Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
- 2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ ny fahalemena ihany;
- 3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ ny olona ihany.
- 4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’ i Arona.
- 5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”;
- 6 ary toy ny lazainy eo amin’ ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”.
- 7 Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,
- 8 dia nianatra fanarahana tamin’ izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
- 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ ny famonjena mandrakizay ho an’ izay rehetra manaraka Azy,
- 10 fa notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe “araka ny fanaon’ i Melkizedeka.”
- 11 Ny amin’ izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
- 12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan’ ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ ny tenin’ Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
- 13 Fa izay rehetra mivelona amin’ ny ronono dia tsy zatra amin’ ny tenin’ ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
- 14 Fa ho an’ izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.