-
Esther 8
- 1 Tamin’ izany andro izany dia nomen’ i Ahasoerosy mpanjaka ho an’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ny tranon’ i Hamana, fahavalon’ ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan’ ny mpanjaka, fa efa voalazan’ i Estera fa rainy izy
- 2 Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
- 3 Dia niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin’ ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’ i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
- 4 Ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan’ ny mpanjaka
- 5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka;
- 6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
- 7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka sy tamin’ i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’ i Hamana efa nomeko an’ i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
- 8 ary ianareo kosa dia manorata amin’ ny anaran’ ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin’ ny anaran’ ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka
- 9 Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
- 10 Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
- 11 ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
- 12 amin’ ny andro iray ihany any amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany).
- 13 Ny kopen’ ny teny natao didy ho amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana dia nantsoina tamin’ ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’ izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
- 14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
- 15 Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
- 16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
- 17 Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.