-
Esther 5
- 1 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
- 2 Ary nony hitan’ ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin’ ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
- 3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
- 4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin’ ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
- 5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin’ i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
- 6 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
- 7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
- 8 Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.
- 9 Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
- 10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
- 11 Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
- 12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
- 13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an’ i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka aho.
- 14 Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.