-
Ecclesiastes 11
- 1 Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
- 2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ ny tany.
- 3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’ izay ianjerany ihany no handriany.
- 4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.
- 5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
- 6 Amin’ ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
- 7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
- 8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
- 9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
- 10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.