-
1 Chronicles 20
- 1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.
- 2 Dia nesorin’ i Davida ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
- 3 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
- 4 Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin’ ny Filistina tao Gazera; tamin’ izany no namonoan’ i Sibekay Hosatita an’ i Sipay, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta, ka dia naetriny ny Filistina.
- 5 Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
- 6 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.
- 7 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
- 8 Ireo no taranaky ny Refaïta tao Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony ireo.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.