-
Zephaniah 3
- 1 Lozan’ ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
- 2 Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
- 3 Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.
- 4 Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
- 5 Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
- 6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
- 7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
- 8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ ireo, dia ny firehetan’ ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
- 9 Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina.
- 10 Avy any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’ izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
- 11 Amin’ izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’ izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masìna intsony ianao.
- 12 Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany,
- 13 Ny sisa amin’ ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
- 14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
- 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
- 16 Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
- 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy.
- 18 Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ ny latsa izy.
- 19 Indro, hasiako amin’ Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ ny tany rehetra.
- 20 Amin’ izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’ izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ ny masonareo izany, hoy Jehovah.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.