-
Nahum 2
- 1 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
- 2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
- 3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr’ i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr’ Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.
- 4 Nomenaina ny ampingan’ ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
- 5 Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
- 6 Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin’ ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
- 7 Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.
- 8 Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.
- 9 Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
- 10 Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan’ ny fanaka mahafinaritra rehetra.
- 11 Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
- 12 Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben’ ny liona tanora? Ilay nandehanan’ ny liona sy ny liom-bavy mbamin’ ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
- 13 Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an’ ny zanany Ary nanenda ho an’ ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
- 14 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin’ ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon’ ny irakao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.