-
Micah 5
- 1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
- 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
- 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
- 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
- 5 Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
- 6 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
- 7 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
- 8 Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
- 9 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
- 10 Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
- 11 Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
- 12 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
- 13 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
- 14 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.