-
Joshua 11
- 1 Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan’ i Hazora, dia naniraka tany amin’ i Jobaba, mpanjakan’ i Madona, sy ny mpanjakan’ i Simrona sy ny mpanjakan’ i Aksafa,
- 2 ary ireo mpanjaka tany amin’ ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ ny tani-hay atsimon’ i Kinerota sy tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ ny havoan’ i Dora andrefana,
- 3 dia tamin’ ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ ny tany havoana, ary tamin’ ny Hivita tany am-bodin’ i Hermona, tany amin’ ny tany Mizpa.
- 4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
- 5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ ny Isiraely ka nitoby teo anilan’ ny rano Meroma.
- 6 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
- 7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron’ ny rano Meroma, dia namely azy.
- 8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
- 9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy: ny soavalin’ ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin’ ny afo.
- 10 Ary tamin’ izany dia niverina Josoa ka nahafaka an’ i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ ny sabatra, satria Hazora no lohan’ ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
- 11 Ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin’ ny afo.
- 12 Ary ny tanàna rehetra izay an’ ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’ i Josoa ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah.
- 13 Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran’ ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran’ i Josoa.
- 14 Ary ny fananana rehetra tao amin’ ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ ny Zanak’ Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
- 15 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy mpanompony no nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; ka dia izany no nataon’ i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 16 Dia lasan’ i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan’ ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
- 17 hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seïra, ka hatrany Bala-gada eo amin’ ny lohasahan’ i Libanona am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
- 18 Ela no niadian’ i Josoa tamin’ ireny mpanjaka rehetra ireny.
- 19 Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin’ ny ady avokoa izy rehetra.
- 20 Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 21 Dia nandeha tamin’ izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin’ ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin’ ny tany havoan’ i Joda rehetra, ary tany amin’ ny tany havoan’ Isiraely rehetra: naringan’ i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
- 22 Tsy nisy sisa tany amin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
- 23 Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.