-
Acts 6
- 1 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
- 2 Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
- 3 Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
- 4 Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
- 5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
- 6 ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
- 7 Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
- 8 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
- 9 Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.
- 10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
- 11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
- 12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;
- 13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
- 14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.
- 15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.