-
1 Thessalonians 3
- 1 Ary amin’ izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,
- 2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ ny finoanareo,
- 3 mba tsy hisy ho taitra amin’ izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin’ izao no nanendrena antsika.
- 4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.
- 5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.
- 6 Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,―
- 7 noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin’ ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;
- 8 fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin’ ny Tompo ianareo.
- 9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an’ Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’ Andriamanitray,
- 10 amin’ ny fangatahanay fatratra andro aman’ alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin’ ny finoanareo?
- 11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ
- 12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
- 13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ ny fahamasinana eo anatrehan’ Andriamanitra Raintsika amin’ ny fihavian’ i Jesosy Tompontsika mbamin’ ny masiny rehetra.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.