-
1 Samuel 1
- 1 Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.
- 2 Ary namporafy izy, Hana no anaran’ ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran’ ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
- 3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’ i Jehovah.
- 4 Ary tamin’ ny andro namonoan’ i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
- 5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.
- 6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan’ i Jehovah azy momba.
- 7 Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
- 8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
- 9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ ny sezany teo anilan’ ny tolam-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah.
- 10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
- 11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
- 12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia nodinihin’ i Ely ny vavany.
- 13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’ i Ely fa mamo izy.
- 14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
- 15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.
- 16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
- 17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
- 18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
- 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
- 20 Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
- 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
- 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin’ ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’ izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
- 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
- 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
- 25 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.
- 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.
- 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’ i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
- 28 Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.