-
1 Peter 2
- 1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
- 2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’ izany ho amin’ ny famonjena,
- 3 raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;”
- 4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, “nolavin’ ny olona, fa voafidin’ Andriamanitra sady soa,”
- 5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
- 6 Fa misy teny ao amin’ ny Soratra Masìna manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”.
- 7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa “Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro”,
- 8 “Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka”; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
- 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjaka-mpisorona, firenena masìna”, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga;
- 10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’ Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.
- 11 Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;
- 12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
- 13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
- 14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
- 15 Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ ny olona adala amin’ ny fanaovan-tsoa;
- 16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
- 17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’ Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
- 18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
- 19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’ Andriamanitra.
- 20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin’ izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’ Andriamanitra.
- 21 Fa ho amin’ izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
- 22 “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”;
- 23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina;
- 24 ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.
- 25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.